<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>E.E. Hasty</author>
<title>Aizan'ny lanitra hianao FFPM396</title>
<lyrics>[V1]
 Aizan'ny lanitra hianao,
 Ry zanak'olona ô ?
 Moa mba efa niditra tao
 Sa ao ivelany ?

[V2]
 Lapan'Andriamanitra ao
 Koa tsy mankao
 Afa-tsy izay mandray fo
 vaovao :
 Olona masina.

[V3]
 Any ny masina marobe
 Velona mandrakizay,
 Ka fiderana tsara no re,
 Eran'ny lanitra.

[V4]
 Tapitra irina izay tonga ao,
 Sambatra mandrakizay ;
 Any ny Paradisa vaovao,
 Izay hiadanana.

[V5]
 Aizan'ny lanitra hianao,
 Ry zanak'olona ô ?
 O, mba hevero izay toetrao
 Mbamin'ny asanao !</lyrics>
<hymn_number>396</hymn_number>
</song>